Afaka Manohana ny Fandrosoana Ara-toekarena ny Tanàna Maitso

Namoaka tatitra ny Firenena Mikambana (ONU) mampiseho fa ny fampivoarana ny fotodrafitrasa an-tanàn-dehibe dia afaka mitazona ny fitomboana ara-toekarena nefa mampiasa harena voajanahary vitsy kokoa.

Ny tatitra 'City-Level Decoup-ling: Fikorianan'ny loharanon-karena an-tanàn-dehibe sy ny fitantanana ny tetezamitan'ny fotodrafitrasa' dia nahitana tranga telopolo mampiseho ny tombontsoa azo avy amin'ny lasa maitso. Ny tatitra dia nangonina nandritra ny taona 2011 avy amin'ny International Resource Panel (IRP), izay nampiantranoin'ny UN Environment Programme (UNEP).

Ny fikarohana dia mampiseho fa ny fampiasam-bola amin'ny fotodrafitrasa maharitra sy ny teknolojia mahomby amin'ny loharanon-karena any an-tanàn-dehibe dia manome fahafahana hitondra fitomboana ara-toekarena, miaraka amin'ny tahan'ny fahapotehan'ny tontolo iainana, fampihenana ny fahantrana, fampihenana ny entona mandatsa-dranomaso ary fanatsarana ny fahasalamana.